🏡♻️Fanamby lehibe ahafahana misoroka ny fandotoana ny tontolo iainana ny fanamafisana ny #fanodinana ny #fako ho lasa akora afaka ampiasaina andavanandro indray.
🏡♻️Nandritra ny firotsahana ifotony notanterahin’Andriamatoa Minisitra Max Andonirina Fontaine tao amin’ny faritra #Boeny dia nitsidika ny orinasa #MadaCompost ao Mahajanga II ny tenany. Orinasa izay misehatra amin’ny fanodinana ny fako ho lasa zezika, biogaz ary pavé autobloquant.♻️
♻️♻️Nanomboka ny taona 2011 no nisehatra tamin’ny fanodinana ny fako ny MadaCompost ary ankehitriny izy ireo dia afaka mamokatra #zezika 100kg isan’andro sy #pavé #autobloquant miisa 100 isan’andro ary #biogaz. Fako avy ao amin’ny tananan’i Mahajanga no ahodin’izy ireo izay misy fiantraikany tsara ihany koa amin’ny fahadiovan’ny tanàna.
🏡♻️Ny orinasa MadaCompost dia miara-miasa akaiky amin’ny #MEDD ary isan’ireo orinasa madinika nisitraka fankasitrahana sy tohana avy amin’ny Ministera sy ny Conservation International (#CI) farany teo.
👏♻️Nankahery sy nanamafy ny fanohanan’ny Ministera ny orinasa Andriamatoa Minisitra amin’ny ezaka fikajiana ny tontolo iainana sy fampiroboroboana ny fandraharahana maitso izay ataon'ny MadaCompost. Ny fanapariahana ny orinasa mpanodina fako tahaka izao no antoka hisorohana ny fandotoana ateraky ny fako sy fampiroboroboana ny toekarena mihodina.
#MEDD #Madacompost #fanodinanafako #recyclagedesdéchets #Mahajanga #Boeny #DireddBoenyBetsiboka #fiharianamaitso #toekarenamihodina